Pasitora Aniel Barbe

Teraka tao Maurice ny pasitora Aniel Barbe ary manana traikefa momba ny asan’ny mpitandrina tao anatin’ny 30 taona. Efa nanompo amin’ny maha pasitoran’ny fiangonana izy ary nitana andraikitra ambony teo amin’ny ministeran’ny fitantanam-piainana kristianina, ny asa fanompoan’ny tanora, ary ny fitantanana ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Manana mari-pahaizana ambony amin’ny Teôlôjia, Fivavahana, Psikôlôjia ary Fanabeazana, ny pasitora Aniel ary manana diplaoma PhD amin’ny Fitarihana. Ny tanjony eo amin’ny fiainana dia ny hanampy ny hafa hiaina fiainana amin’ny fahafenoany. Amin’izao fotoana izao izy dia Tale Mpanampy ao amin’ny Departemantan’ny Fitantanam-piainana Kristianina any amin’ny Foibe Maneran-tany. Izy sy i Micheline vadiny, dia faly manana an’i Adam, zanany lahy.
Atao lohalaharana Andriamanitra
FIAINANA FENO FAHOMBIAZANA

Mikatsaka ny tena antom-pisianao ve ianao?
Moa ve ianao maniry ny ho tafarina amin’ny ratra arapihetseham- po sy fahadisoana teo aloha, maniry ny hiaina araka ny fahaiza-manao feno anananao, mangetaheta fifandraisana lalina sy manan-danja, ary maniry ny ambony indrindra ihany koa eo amin’ny fiainana ara-panahy, ara-pianakaviana, ary araka asa? Maniry ny handray anjara amimpahasahiana sy amin-pahatokiana amin’ny iraka ampanaovin’Andriamanitra ve ianao?
Ireo faniriana ireo dia azo fintinina ho faniriana lalina hanana fiainana feno fandrosoana sy
fahombiazana. Ny paikady tsara indrindra atolotray mba hahazoana izany dia ny fihaonana manokana isan’andro amin’Ilay Anankiray izay nilaza hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava.” – Isaia 61:1.
Mialoha ny hidiranao amin’ny taona 2026, ny Departemantan’ny Fitantanam-piainana Kristianina dia manasa anao hifandray lalina amin’Ilay Mpanolotra fiainana feno fahombiazana, amin’ny alalan’ny Herinandro Fifohazana ho an’ny fitantanam-piainana.
Mandritra ity herinandro ity, dia andeha isika hiato kely ka handinika ampahan-tantara iray teo amin’ny fiainan’i Davida, izay nandavo ilay lehilahy goavam-be. Ny Fanahy Masina no mitarika sy manome hery antsika, ka dia afaka mandray lesona azo ampiharina eo amin’ny fitantanana ny fiainana isika, izay mitondra ho amin’ny fahafantarana tsara ny tena, ny fiainana manan-danja, ny fitomboana, ny faharetana, ny fahafahana amin’ny tahotra, ary indrindra indrindra, fiainana manao an’Andriamanitra ho lohalaharana.
Eo am-pirosoana amin’izao dia izao, dia manasa anao izahay hitaky ny teny fikasan’Andriamanitra ho amin’ny fiainana feno fahombiazana, ka hanaiky hanolo-tena isan’andro ho amin’ny fiainana voaova.
Departemantan’ny Fitantanam-piainana Kristianina Foibe Maneran-tany
Voafidin’Andriamanitra:
Antso ho tonga mpitantana ny fananan’ Andriamanitra /Andro 1
Rehefa milaza ny tantaran’i Davida amin’ny zanatsika isika, dia matetika no mifantoka amin’ilay ampahany izay nandresen’ilay zazalahy kely an’i Goliata goavam-be tamin’ny alalan’ny antsamotady. Zara raha resahina kosa izay nialoha io ady mahery vaika io, ary zara raha lazaina ireo tantara hafa amin’ny fiainan’i Davida —rehefa namitaka sy nitondra tena toy ny mpanao heloka bevava izy. Tsy fantatsika ve ilay tantara manontolo?
Nanomboka ela talohan’ny ady nifanaovany tamin’i Goliata ny tantaran’I Davida. Anisan’ny zava-dehibe miavaka teo amin’ny fiainany ny fotoana nifidianan’Andriamanitra azy. Raha maniry fiainana feno fandresena sy fivoarana isika, dia zava-dehibe ny miato sy mandinika ity fanontaniana manan-danja ity: Ahoana no fomba ifidianan’Andriamanitra ireo mpandresy?
Raha tsy voafidy handray anjara amin’ny hazakazaka rahateo ny olona iray, inona moa ny fandresena mety ho azony? Andeha horesahintsika ny momba ny fifidianan’Andriamanitra.
Andriamanitra no mifidy
Naniraka an’i Samoela mpaminaniny Andriamanitra, hanatanteraka asa manan-danja: «Mandehana, fa hirahiko ho any amin’i Jese Betlehemita hianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ny zanany Aho.» – 1 Sam. 16:1. Dia nofenoin’i Samoela diloilo ny tandrony, dia niainga tao Rama ho any Betlehema izy. Rehefa tonga izy dia notarihin’Andriamanitra ho any an-tranon’i Jese; ary nangataka hahita ireo zanany lahy i Samoela. Nodinihiny i Eliaba, lahimatoa, ka hoy izy: «Ity tokoa no izy!» Fa hoy Andriamanitra: «Tsia, tsy nifidy azy Aho!»
Nentin’i Jese teo amin’i Samoela ny zanany enina hafa, ary tsy nisy tamin’izy ireo nofidin’Andriamanitra. Somary very hevitra i Samoela ka nanontany an’i Jese: «Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra?» – 1 Sam. 16:11. Sakodiavatra i Jese namaly fa mbola manan-janaka lahy iray sisa izy, ilay faralahy izay miandry ondry any an-tsaha. Nampiantso azy avy hatrany i Samoela. Rehefa niditra ilay mpiandry ondry kely, dia hoy Andriamanitra tamin’i Samoela: «Mitsangàna, hosory izy, fa izy no izy» – 1 Sam. 16:12. Nankatò i Samoela ka nandraraka ny diloilo teo amin’ny lohan’i Davida.
Tsy nisy nifidy an’i Davida na ny rainy na ny rahalahiny, eny, na i Samoela mpaminany aza. Andriamanitra mihitsy no nifidy azy. Nohosorana izy, izay midika fa nofidin’Andriamanitra hanao asa manokana sy manan-danja izy.
Voafidy avokoa ny rehetra
Efa nisy fotoana ve ianao no fara safidin’ny olona tao anatin’ny lalao iray, na tsy voafidy mihitsy? Efa nanjo ahy izany. Fony aho mbola kely, rehefa nandrafitra ny ekipa hilalao baolina nandritra ny fialan-tsasatra izahay, dia ny kapitenin’ny ekipa no nifidy ny mpilalao. Notsongaina tsirairay ny mpilalao, ary matetika ireo mahay indrindra na namany akaiky no safidiny voalohany. Mazàna efa feno ny isan’ny mpilalao raha mbola tsy voafidy akory aho.
Nampalahelo ahy izany, ary nahatonga ahy hahatsapa fa ny tsara sy mety dia izao: ampandraisina anjara avokoa ny rehetra rehefa milalao na miala voly. Indrisy fa mety hisy fiantraikany amin’ny lafim-piainana maro ireny fanandramana ireny sy ny fihetseham-po aterany, izay ahatsiarovana ho voailikilika. Mety hitranga izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, na dia amin’ny havan-tiantsika aza. Mety hahatsapa fanaovana tsinontsinona isika eo amin’ny sehatry ny asa, ary indraindray malahelo fa voailika tanteraka.
Mampianatra lesona manan-danja ny fiainana: Tsy hoe satria tsy nofidin’ny olona ianao dia voatery ho ratsy, na tsy mahay, na nanao zava-dratsy. Matetika, misy toetra manokana tadiavin’ny olona izay mifidy, izay mety tsy anananao amin’izao fotoana izao; mitaky fahaiza-manao manokana ny asa sasany. Mety ho ilay olona mifidy no tsy mahita tsotra izao ny hatsaran-toetra anananao.
Raha izany dia tsy ianao no olana, fa ilay mpifidy. Ohatra, i Michael Jordan, izay malaza ho anisan’ny mpilalao basikety mahay indrindra hatramin’izay, dia tsy voaray tao amin’ny ekipan’ny oniversiteny tamin’ny taom-pianarany faharoa, satria tsy nahatsikaritra ny fahaizamanaony ny mpanazatra. Kanefa na tsy mahafantatra ny toetra ananantsika aza ny olona, Andriamanitra kosa mahita izany. Mampianatra antsika ny Baiboly fa nifidy antsika rehetra Andriamanitra.
Indray mandeha, nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy fa izy ireo no sakaizany, avy eo, hoy Izy: «Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo» – Jao. 15:16. Midika izany fa notsongain’Andriamanitra isika tsirairay hamita iraka, ary mampanantena vokatra tsara Izy. Tsy mampahery tokoa ve ny fahafantarana fa nofidin’Andriamanitra ho ao amin’ny ekipany ianao?
Lesona telo lehibe avy amin’ny nifidianana an’i Davida
Manambara hevitra telo lehibe mikasika ny fomba fifidianan’Andriamanitra ny tantaran’ny nifidianana an’i Davida:
- Andriamanitra no mifidy mialoha ny hanaovanao zavatra, na inona na inona.
Tsy mbola namono ilay goavam-be i Davida no efa nofidin’Andriamanitra. Zazalahy mpiandry ondry fotsiny izy. Saingy rehefa nanaiky ny fifidianan’Andriamanitra izy, dia hoy ny Baiboly: «ny Fanahin’i Jehovah dia nilatsaka tamin’i Davida hatramin’iny andro iny» – 1 Sam. 16:13; dia nomen’Andriamanitra fahafahana hianatra sy hitombo izy. Mifidy sy manomana antsika ho amin’ny zavatra goavana Andriamanitra.
Ny fandraisana ny Fanahin’i Jehovah dia mitondra soa maro: Voalohany, mahatsapa ny fanatrehan’Andriamanitra ianao, ary mahafantatra fa tsy irery ao anatin’ny fotoan-tsarotra (Jao. 14:16–17). Mandroaka ny tahotra izany fahalalana izany ary manome herim-po sy fahasahiana (2 Tim. 1:7). Faharoa, manome antsika talenta sy fahaiza-manao ny Fanahin’i Jehovah (1 Kôr. 12:4– 11). Mahay manao tsara kokoa isika, na mahavita zava-baovao mihitsy. Izy no manova antsika ho olona tsara kokoa (Rôm. 12:2). Farany, manomboka mitory an’i Jesosy amin’ny hafa isika – Ilay Andriamanitra Mpifidy (Asa. 1:8).
Taorian’ny nifidianana azy dia nanjary mpitendry mozika sy mpitondra ny fiadian’i Saoly mpanjaka i Davida tamin’ny fotoana sasany. Tsy misy toerana tsara kokoa hiofanana ho mpanjaka noho ny fiainana ao amin’ny lapan’ny mpanjaka; ary tao mihitsy no nametrahana an’i Davida. Hanokatra lalana ho anao mandrakariva Andriamanitra mba hahatonga anao ho any amin’ny toerana ahafahanao mianatra, mitombo, ary miomana ho amin’ny tanjona lehibe eo amin’ny fiainanao.
- Tsy mijery ny miseho ivelany Andriamanitra rehefa mifidy
Ny fifidianan’Andriamanitra dia tsy toy ny amin’ny fifaninanana izay tsara sy bikana indrindra. Nampahatsiahy an’i Samoela mpaminany Andriamanitra hoe: «Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, (…) fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.» – 1 Sam. 16:7.
Matetika ny olona no mihevitra fa mba hahafahana manatanteraka iraka na asa iray, dia tsy maintsy misy toetra manokana ananana — tsy maintsy mitovy amin’izay efa nanao izany asa izany tany aloha. Mora amintsika ny mametraka fitsipika sy endrika ivelany ho fepetra. Ny dokotera, ny mpampianatra, ny mpitandrina, Kristianina, ary na ny tsy mpino aza dia antenaina hanana endrika manokana. Ampiharintsika amin’ny tenantsika sy amin’ny hafa ireo fitsipika noforonintsika. Vokatr’izany, mora amintsika ny miala andraikitra sy mandà ny hafa, noho ireo fepetra ivelany sy sary efa nabahana tao an-tsaina mialoha.
Voalazan’i Ellen White, mpaminanin’Andriamanitra ho an’izao androntsika izao, ao amin’ny bokiny Patriarika sy Mpaminany, fa hitan’i Samoela fa «mitovy betsaka amin’i Saoly i Eliaba lahimatoa, amin’izato izy tsara tarehy sy ranjanana» – t. 646, ka izany no nahaliana azy. Nampahatsiahy an’i Samoela anefa Andriamanitra fa tsy izany no fomba tokony hifidianana. Moa ve isika manao fahadisoana toy izany koa?
Tsy ny maha lahy na ny maha vavy, na ny fiteny, na ny saranga, na ny fihodirana, no ifidianan’Andriamanitra ny olona. Tian’Andriamanitra ny olona rehetra, ary fidiny ho amin’ny andraikitra lehibe izay tia Azy. Na tsy mendrika ho “voafidy” aza ny fijerinao ny tenanao, Andriamanitra kosa afaka mifidy anao.
- Manana ny fotoany Andriamanitra
Na efa voafidin’Andriamanitra aza i Davida, dia tsy tonga mpanjaka avy hatrany izy. Mety ho tsy nahatakatra tsara akory izay nataon’i Samoela izy tamin’io fotoana io. Fantany fotsiny fa voafidin’Andriamanitra izy, ka nandroso. Tsy maintsy niantehitra tamin’Andriamanitra sy nandeha tamin’ny faharetana nandritra ny 15 taona izy vao tonga mpanjaka.
Voafidy ho mpitantana ny fananan’ Andriamanitra
Iray fototra isika amin’ny maha taranak’i Adama sy i Eva antsika: samy notendren’Andriamanitra ho mpitantana ny fananany isika (Gen. 1:28). Avy amin’izany fahamarinana fototra izany no miainga ny zava-drehetra. Midika izany fa Andriamanitra no Tompon’ny zavatra rehetra sy Mpamatsy izay ilain’ny rehetra, ary ny olombelona no mpitantana ny fananany. Izany no voninahitra sy tombontsoa lehibe indrindra ananan’ny voariny. Ankoatra izany, nanome toromarika mazava ho an’ny olombelona mpitantana ny fananany ny Tompo, izay mifanaraka amin’ny maha Izy Azy:
- Satria Izy no Mpahary… dia miantso antsika Izy mba hitondra tena amin’ny maha zavaboary antsika.
- Satria Izy no Mpamatsy… dia miantso antsika Izy mba hiantehitra Aminy.
- Satria Izy no Modely… dia miantso antsika Izy mba ho solontenany.
- Satria Izy no Andriamanitra Telo Izay Iray… dia miantso antsika Izy mba hanome lanja ny fifandraisana sy ny firaisan-kina.
- Satria Izy no Tompo… dia miantso antsika Izy mba hanana toe-panahy manompo.
Indrisy, lavo tamin’ny fakam-panahin’ny fahavalo ny olombelona, ka nino fa azo atao ny ho tompo eo amin’ny toeran’ilay tena Tompo (Gen. 3:5). Nahatonga an’i Satana ho «andrianan’izao tontolo izao» izany (Jao. 12:31).
Na izany aza, noho ny fankatoavany tanteraka ny sitrapon’ny Ray, dia tonga m p i t a n t a m – p a n a n a n a vaovao i Jesosy, nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Andriamanitra Ray (Efes.1:22; 1 Kôr. 15:27). Ankehitriny, amin’ny maha Mpanavotra Azy, dia tiany isika ho voavela heloka sy ho feno hery, ka ho mpitantana ny fananany amin’ny fifaliana.
Amin’ny maha taranak’olombelona antsika, dia voafidy ho mpitantana ny fananan’Andriamanitra avokoa isika rehetra. Ho antsika izay nandray ny famonjena ao amin’i Jesosy, dia nankininy tamintsika ny fitantanana ny hareny (Mat. 25:14). Isika no raki-tsarobidiny, tsy misy voailika na iray aza!
Teny fikasan’Andriamanitra «Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka. Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary history fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao antrano- maizina ho amin’ny mazava» – Isa. 61 :1
Fanontaniana hifanakalozankevitra
- Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no nifidy an’i Davida fa tsy ireo zokiny?
- Manao ahoana ny fihetsehamponao noho ny fahafantaranao fa voafidin’Andriamanitra ho amin’ny asa manokana ianao?
- Midika inona ho anao ny hoe voafidy ho mpitantana ny fananan’Andriamanitra ianao?
Fanoloran-tena
Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia misafidy aho ny hianatra ny ho mpitantana mahatoky eo amin’ny fiainako isan’andro.